Nahampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany faha 23 Septambra 2025 ny fahazoan’ny Fikambanan’ny Vehivavy Mandroso (FVM) ao Ankorikihely ny famatsiana ara-bola izay mitentina 9 tapitrisa ariary sy finday izay avy amin’ny Tambazotra MIHARI ao amin’ny tetikasa « PAR4C-Ouest ».Izao no natao dia entina hanohanana ny tetikasan’ny fikambanana momba ny hametrahana ny Toby famokarana zanaka hônko biolojika sy ivon-toerana fanodinana laoko sira « transformation des produits halieutiques (séchage) « .
    Arak’izany dia natolotra ny fikambanana sahady ny ampahany amin’io vola io miaraka amin’ny taratasy fanamarihana na « attestation » manamarina ny fahazoana ny famatsiana,etsy andaniny zay ihany koa ny fanolorana ny finday iray ho entiny ampiasaina amin’ireo tetikasany ireo.
    Ny FVM dia manana ny vina maty paika amin’ny asa fivelomana sy fitadiavam-bola sady tia mikaroka momba ny fiarovana ny tontolo iainana ary hoentina miatrika ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Tsapa izany amin’ny harona vita amin’ny satrana ho solon’ny harona plastika rehefa manao « empotage » na fampidirana ireo zana-kazo na ny pépinière ireo anaty « pot ».Tsy ho ela dia ho mpamatsy zanaka hônko (propagule) matihanina sy maro an’isa ireto fikambanana ireto ary ho matihanina amin’ny sehatra famokarana sy fivarotana trondro maina.
     Ity lanonana ity dia natrehin’ny avy ao amin’ny DRPEB sy ny DREDD DIANA, ny Sefompokontany Ankorikihely miaraka amin’ny Tambanjotra MIHARI foibe avy any Antananarivo sy ny C3 Madagascar avy ao Antsiranana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *