Nofaranana ny faha 22 Septambra 2025 teo tao amin’ny FKT Ankotika, Kaominina Ambanivohitra Antranokarany, ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro tilapia, ny fanatavezana drakaka, ny fomba fanjonoana mampiasa fitaovana antsoina hoe DCP (Dispositif de Concentration de Poissons), ny fampiasana palanky (Palangre) ary ny fanombanana ny lanjam-bidy ny vokatra.Marihina fa ny faha 18 Septambra teo no nanomboka ity fampiofanana ity izay niarahana niasa tamin’ny orinasa “Réfrigepeche Ouest,” izay orinasa misehatra amin’ny jono makamba. Mpiofana miisa 48 no nanatrika sy nandray anjara tamin’ity famaranana ity izay nanamarika ny fahavitan’ny fiofanana naharitra andro maromaro.
Nandritra izay andro maromaro nanaovana ny fampiofanana izay dia nahazo fahalalana feno ilaina mba hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fidirambola izy ireo .Ity hetsika ity dia porofo ny fanantanterahin’ny orinasa Réfrigepeche Ouest ny volazan’ny bokin’andraikitra RSE amin’ny fanomezana fampiofanana ireo mpanjono sy ny vadina mpanjono ho amin’ny fampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny jono sy fampamokarana ny anaty rano ao Ambanja.
Antenaina fa hitombo ny fahaiza-manao sy ny fidiram-bolan’ireo mpandray anjara, ka hitondra fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina eo an-toerana, ny fampiofanana amin’ny sehatra ny fiompiana trondro dia mitohy hatrany ao amin’ny Distrikan’ny Ambanja.
