Mifameno tanteraka ny fiompiana trondro sy ny asa fanjonoana ho fanomezana fahafahampo ireo mpanjifa ny vokatra hazandrano eto Madagasikara.Izany no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB manohy hatrany ny fampiofanana mitety tanana ireo mpanjono madinika hisehatra amin’ny fampamokarana ny anaty rano amin’ny alalan’ny tantsoroka maro samihafa avy amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy.
Araka izany dia tontosa ny faha 21 Septambra 2025 tao Ambodibonara, Distrikan’Ambilobe, ny fampiofanan’ny ekipan’ny avy amin’ny Sampandraharahan’ny ny Jono sy ny Toekarena Manga CirPEB Ambilobe ireo mpanjono madinika tao an-toerana.Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tamberinandraikitra avy amin’ny REFRIGEPECHE OUEST RFO izay miantsehatra amin’ny jono makamba izay miasa ao amin’ny fari-panjonoana A.
Miisa 182 ireo mpanjono tonga niatrika ny fampiofanana mikasika ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro sy famoronana « Dispositif de concentration des Poissons »DCP « ny fikirakirana sy ny fitehirizana ny vokatra ary fanangonana ny filàn’ireo voaofana ny zana-trondro.
