Notanterahina ny 22 septambra 2025 tao New York (Etats Unis d’Amérique), tao amin’ny Goals House, Tavern on the Green, New York, ny fifanakalozankevitra mikasika ny fanjonoana krill any amin’ny ranomasibe manamorina ny Antarktika.
      Hetsika izay nokarakarain’ny the Antarctica Avengers na ireo mpiaro ny Antarktika izay misy ny mpikaroka avy amin’ny firenena maro, ny mponina amin’ny faridranomasina Atsimo mifandray amin’ny Antarktika.
      Ny trozona izay mandalo sy miteraka aty amin’ny ranomasimbe Indianina dia mivelona amin’ny biby tsy hita maso voaantso hoe krill. Any amin’ny ranomasina manamorona ny Antartika ihany no misy an’izy io ka fisian’io no mandrindra ny fiveloman’ny biby maro fa indrindra dia ny trozona sy ny zanany haterany.
      Madagasikara dia anisan’ireo firenena nanena ny ezaka fanjonoana mba tsy ahalany tamingana ireo hazandranomasina sy ny mba ahitan’ny taranaka faramandimby ireo trozona izay manome laza ny tanindrazantsika.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *