Notanterahina ny 22 septambra 2025 tao New York (Etats Unis d’Amérique), tao amin’ny Westin Grand Central, ny fifanakalozankevitra mikasika ny #ranomasina sy ny lalana makany amin’ny #COP30.
Ny ranomasina no manome ny 54% rivotra iainan’olombelona ary izy ihany koa no mandrindra ny hafanan’ny tany. Hany ka rariny raha ny fiarovana sy ny fampiasana amin’ny fomba tsaratantana ny ranomasina dia manampy amin’ny fiadivana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro.
Raha ampatsiahivina dia alohan’ny COP30, izay atao any Brésil ny Novembre 2025 izao, no tokony handrafitra ny lamin’asa hiadivana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny firenena tsirairay ka nanome fanamby ny firenena frantsay sy brézilianina ny hampidirana ireo vahaolana miankina amin’ny ranomasina ao amin’izay, toy ny fametrahana rindrandamina amin’ny fampiasana ny ranomasina (PSM), fanjonoana sy fampamokarana ny atirano mifantenana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fampiasana angovo azo havaozina eo amin’ny sehatry ny Jono, sns
Anisan’ny nanaraka an’izay fanamby izay ihany koa Madagascar toy ny firenena hafa toy ny Australia, Fiji, Kenya, Mexique, Palau, Seychelles.
