Tontosa ny 22 sy 23 septambra 2025 teo ny fanokafana ny tahiry horita tsy maharitra tao amin’ny Fkt Maromena, ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Anakao, Distrika Toliara II. Toerana manana velarana 46 hektara no natokana ho an’ity fitehirizana ity izay tantanin’ny Fikambanana LMMA VATOHARA SOA.
Naharitra telo volana teo ho eo ny fitehirizana, nanome fahafahana ny horita hitombo tsara ka nahazahoana vokatra vonjy maika toy izao : ny Totalim-bokatra dia mahatratra 1,5 taonina eo ho eo ; ny Vokatra amin’ny ankapobeny azonisan’olona kosa dia manodidina ny 4 kg eo ; ny Vokatra isan’olona ambony indrindra azo dia nahatratra 13 kg eo ary ny Lanjan’ny horita lehibe indrindra azo dia manodidina ny 8 kg.
Tsy natokana ho an’ny Fkt Maromena fotsiny ity fanokafana ity fa nosokafana tamin’izany fotoana izany ihany koa ny tahiry horita tao amin’ny tapany atsimo amin’ny Distrika Toliara II, tantanin’ny LMMA ao amin’ny kaominina Befasy, Besambay, Ambola, Karapona, ary Ampiambaza. Ary ny fanokafana tahiry horita tao amin’ny tapany avaratr’i Distrika Ampanihy, izay notantanin’ny LMMA ao Tariboly sy Antsakoa.
Tonga nanatrika ny fotoana ireo manampahefana sy mpiara-miombon’antoka maro, anisan’izany ny Ben’ny Tanàna lefitra faharoan’ny Kaominina Ambanivohitra Anakao, ny CirPEB Toliara II, ny avy ao amin’ny DREDD Atsimo Andrefana, ny rantsan’ny CSP, ny Solontenan’ny MNP ary ny avy ao amin’ny IHSM Toliara . Ny WWF kosa no naao ny tantsoraka nahafahana nanatontosa izao hetsika izao.
Ny vokatra azo tamin’ity fitehirizana ity dia porofo mazava ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondrom-piarahamonina, ny fanjakana ary ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanohanana ny fiveloman’ny mponina amorontsiraka sy ny fiarovana ny harena voajanahary ao amin’ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara ary maneho ny ezaka ataon’ny LMMA sy ireo mpiara-miombon’antoka mba hampiroborobo ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. ka ahafahan’ny mponina ao an-toerana mahazo tombony ara-toekarena sy ara-tsosialy sady miaro ny tontolo iainana.
