Notanterahina ny faha 23 Septambra 2025 ny fivoriambe niarahana tamin’ny vahoakan’ny Betafo. Nivoitra nandritra ny loabary andasy ireo lesoka mbola mahatonga ny halatra trondro sy ny tsy fanaran-dalana. Novakiana ampahibemaso ny didim-pitondrana misahana ny fikatonan’ny taom-panjonoana 2025, ny fehezan-dalàna mananatra ny « CoPA » sy manasazy na ny « Code pénal » mifandraika amin’izany.
    Harafitra ny dina izay hihatra avy hatrany alohan’ny didy havoakan’ny Fitsarana mahefa ary hatsangana isam-pokotany ny komity mpanantateraka ny dina.
    Isaorana ny #ONG_APDRA, ny #OMC_Betafo tarin-dRamatoa Lehiben’ny Distrika amin’ny fiaraha-miasa indrindra amin’ny fanatanterahana izay tapaka.
#MPEB #DRPEB_Vakinankaratra

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *