Nisitraka fiofanana fiompiana trondro ny vahoaka manodidina an’Andraikiba vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny #DRPEB_Vakinankaratra sy ny #FANILO #FAFAFI/SPAM.
Miisa 63 mianadahy no nanatrika hatramin’ny farany. Nampiavaka ity andiany ity ny fahalianana sy ny hamaron’ireo renim-pianakaviana ka nifantohana bebe kokoa ny momba ny « système Aquaponie » izay mifanaraka amin’ny filan’izy ireo.
Tafita ny teknika fototra ahafahan’ireo mpisitraka hiompy trondro avy hatrany ka tena afapo sy velom-pisaorana ny rehetra.
Mitohy amin’ny fanaraha-maso ny ezaka.
