Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny tompon’andraikitra eny ifotony amin’ny fanantonana ireo tantsaha. Ny faha 24 Septambra 2025 teo ny ekipan’ny #DRPEB Ihorombe # dia nanao fitsidihana toerana roa tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Sakalalina, ao anatin’ny Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Toerana izay fantatra amin’ny asa fampandrosoana ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra.
      Ny tanjon’ny fidinana ifotony natao dia nizara roa lehibe, izay samy mikendry ny fampitomboana ny vokatra sy ny fahombiazan’ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra.
      Fanjohina, Fanaraha-maso ary Fanomezana Tantsoroka Ara-teknika: Ny ekipa dia nanome fanohanana mivantana ho an’ireo tantsaha mpiompy trondro. Izany dia ahitana ny fanaraha-maso ny fomba fitantanana ny toeram-piompiana, ny fanomezana torohevitra momba ny teknika moderina amin’ny fiompiana, toy ny fanatsarana ny kalitaon’ny rano, ny fomba fanomezana sakafo ho an’ny trondro.
      Ny fitiliana trondro karpa lehibe sy salama, izay hatao ray amandrenin-trondro na « géniteurs ». Ireo trondro voafantina ireo dia hamatsiana ny Zone d’Emergence Pisicole (ZEP) Ihorombe, izay toerana manokana hamokarana zana-trondro tsara kalitao ka hanampy amin’ny fampitomboana ny vokatra amin’ny ankapobeny.
      Ireo tantsaha notsidihina dia naneho ny hafaliany tamin’ny fanohanana voaray, ary nanantena fa hitohy ity fiaraha-miasa ity mba hahafahana miatrika ireo fanamby mbola ho hatrehana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *