Tsy mijanona amin’ny fampiofanana fa mitohy hatrany amin’ny fanjohiana ny asa atao eny ankianja ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB #ho fampiroboroboana ny fiompiana trondro manerana ny Nosy.Nisy araka izany ny fitsidihana nataon’ny ekipa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena #DRPEB Atsimo Atsinanana# niaraka tamin’ny tetikasa #ASAM ny dobon’ny kaoperativa Miray hina sy an’olotsotra ao Ampasipotsy sy Ambohitrabo samy anatin’ny Distrikan’i Farafangana ny faha 22 Septambra 2025 teo.
Narahi-maso nandritra izany ny fanajana ireo teknika mampahomby ny fampanatodizana karpa hahazoana zana-trondro maro noho ny fisian’ ireo renitrondro sasany efa avy nanatody.Noentanina ihany koa izy ireo nandritra izany mba hivondrona ao anaty fikambanana sy ny tokony hananany karatra maha mpiompy ary ny fanaovana tatitra mikasika ny famokarana.
