Miditra ao anatin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, arak’izany dia nisy ny hetsika fanentanana natao ny DRPEB Fitovinagny tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Anosiala, distrikan’i Manakara ny faha 24 Septambra 2025 teo.Hetsika izay nifantoka tamin’ny fanentanana ny vahoaka sy ny mpanjono madinika mba hiara-hiasa amin’ny ady vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina mitondra poizina eto Madagasikara na ny tranga ICAM (Intoxication Alimentaire par la Consommation d’Animaux Marins) sy ny fisorohana ny doro ala sy doro tanety indrindra amin’izao vanim-potoana maina izao.
     Nanolotra fanazavana sy toro-làlana ho an’ny vahoaka ny ekipa mba hampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny fitandremana amin’ny fihinanana ireny hazan-drano mampiahiahy ireny sy voarara ireny. Nampahafantarina ny mpanjono sy ny vahoaka ihany koa ny loza ateraky ny doro ala sy dorotanety, izay miteraka fahavoazana goavana amin’ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary. Marihina fa ny faritra Ambinagny Managnano dia manakaiky ny toeram-pambolena voankazo, ka mahatonga azy ho marefo indrindra amin’ny loza ateraky ny afo.
      Noho izany, namporisika ny mpanjono sy ny mponina ny DRPEB mba handray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampihenana ny fampiasana afo tsy voafehy sy ny fanarahana ny fepetra fisorohana.
Tsy mijanona eto ny asa satria mbola hitohy any amin’ny distrikan’i Vohipeno ity hetsika fanentanana ity

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *