Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia tsy nitsahatra manofana ireo tantsaha hisehatra amin’ny fiompiana trondro.Nanolotra fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro an-tanimbary sy fomba fanamboarana dobo trondro hoan’ ireo tantsaha miisa 10 ao Menalafika, Distrikan’Ihosy ireo ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB Ihorombe#. Nifampizarana tamin’izany ihany koa ny teknika fanamboarana sakafo trondro sy fotoana sy ny fomba fanomezana azy mba tsy ho very fotsiny.Ankoatra ny fampiofanana an-tsoratra dia nisy ihany koa ny fampiharana teny ankianja noentina hanamafisana izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *