Tantsaha mpiompy trondro efatra (04) ao amin’ny distrikan’i Manakara, ao amin’ny Kaominina Mizilo, Anosiala, ary Sahasinaka, ary koa ny ivontoerana iray ny Centre FIHAONANA (SEFAFI) ao Vohipeno no notsidihan’ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB Fitovignany mba hanome toromarika sy fanohanana ara-teknika. Nandritra ny 25 sy 26 Septambra 2025 no nanaovana ireo fitsidihana ireo.
    Naseho nandritra ny fitsidihana fa ny fomba fanamasahana rano sy ny lafiny sakafon-trondro no tena olana fototra amin’ny mpiompy trondro. Mba hamahana ireo olana ireo dia nomena toromarika sy fanohanana ara-teknika mifanaraka amin’izany ny tantsaha. Ireo toromarika ireo dia mikendry ny hanatsara ny fomba fiasa sy hiantoka ny fahombiazan’ny asa fiompiana trondro, indrindra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny rano sy ny fitantanana ny sakafon-trondro mba hahazoana vokatra tsara kokoa.
      Na izany aza dia tsy nahitana olana ny mahakasika ny tsy fahampian-drano satria mbola milatsaka tsy tapaka ny orana ao amin’ny faritra. Izany dia mamela ny mpiompy trondro hanohy ny asany tsy misy olana amin’ny resaka famatsiana rano.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *