Fototra ny fahombiazan’ny fiompiana trondro ny fifehezana ny teknika ka izany indrindra no imasoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB mizara maimaimpoana ireo fahalalana fototra mikasika ny fiompiana trondro.Nisitraka izany ny tantsaha 42 mianadahy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambondromamy, Distrikan’Ambatoboeny ny faha 25 Septambra 2025 teo.
Nampita ny fahaizana nandritra izany ny ekipan’ny Fitaleavanaparitry Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Boeny. Resy lahatra tanteraka izy ireo fa hifototra amin’ny fampiharana ny fiofanana azony ka hanao atompivelomana ny fiompiana trondro noho ireo tombontsoa maro azo avy aminy.
