Ny karaza-trondro Tilapia dia isan’ireo trondro mila toetr’andro mafana hahafahany mitombo tsara.Faritra manana izany ny faritra Analanjirofo ka izany no nahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB nizara zana-trondro Tilapia tsara kalitao niisa 15 000 amin’ireo tantsaha 41 tao amin’ny kaominina 4 ao anatin’ny faritra ka ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Analanjirofo no nizara izany ny faha 28 Septambra 2025 teo izay notronon’ireo ben’ny tanàna ao amin’ireo kaominina ireo.
Nanatrika izany ihany koa ny solontenan’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Vavatenina.Nanterin’ny DRPEB Analanjirofo nandritra izany ny teknika fandrotsahana azy hialana amin’ny fahafatesan’ireo zana-trondro ireo.Tantsoroka avy amin’ny « appui sectoriel » no nahafahana nanatanteraka izany .Antenaina fa hampitombo hatrany ny vokatra trondro any an- toerana izao hetsika izao.
