Ny fandraisana anjara mavitrika sy ny fanoloran-tenan’ireo mpikambana ao amin’ny KMD dia maneho ny finiavana hanohy hatrany ny asa fiarovana sy fampandrosoana eo amin’ny faritra .Ho fanohanana azy ireo dia notontosaina ny 26 hatramin’ny 28 Septambra 2025 teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsifota, ao amin’ny distrikan’i Toliara II, ny fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Komity Mpanatanteraka ny Dina (KMD) ao amin’ny faritra arovana Sambele.
Ity Dina ity dia efa nahazo fankatoavana avy amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Toliara, ka manamafy ny maha-ara-dalàna azy amin’ny fitantanana ny faritra arovana. Miisa 16 ireo nandray anjara tamin’ity fiofanana ity, ka 14 amin’izy ireo dia lehilahy ary 2 kosa vehivavy izay naneho ny fanoloran-tenany hitantana tsara ny faritra arovana.
Nahitana solontena avy amin’ny sehatra samihafa ireo tonga nanatrika ity fotoana ity ka anisan’izany ny Solotenan’ny Lehiben’ny Distrikan’i Toliara II, ny Lefitry ny Ben’ny Tanànan’i Tsifota, ny mpikambana ao amin’ny CSP (Centre Surveillance des Pêches ), ny Lefitry ny Lehiben’ny Fkt, ny Filohan’ny Fikambanan’ny Sambele, ary ny solontenan’ny ONG Blue Ventures.
Ny lohahevitra nampitaina nandritra ny fiofanana dia ny fampahafantarana ny andininy sy fitsipika voafaritra ao anatin’ny Dina ankoatr’izay dia nisy koa ny fampianarana momba ny fomba fanao mialoha, mandritra, ary aorian’ny kabary, mba hiantohana ny fahombiazan’ny fifampiresahana sy ny fandraisana fanapahan-kevitra. Nampianarina ihany koa ireo antontan-taratasy ilaina rehetra ampiasaina eo anivon’ny KMD. Ny fiofanana dia niafara tamin’ny fampiharana ny zavatra noratovina ka noharina tamin’ny alalan’ny zavamisy eo an-toerana.
Marihina fa ny ONG Blue Ventures, izay efa ela mifanome tanana amin’ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, no anao ny tantsoraka nahafahana nanatontosa ity fiofanana ity.
