Misy karazany roa ny lamatra (thon neretique izay kely kokoa sy azontsika malagasy satria mandalo @ sisin’ny morontsiraka sy thon migrateur izay misy karazany maro sy ngeza kokoa ary any amin’ny 34km any no andalovany ary tsy azontsika firy io satria sady ngeza satria misy mahatratra 700kg ny iray no mandeha mafy hatramin’ny 40km/h kanefa kosa tsy voarara isika Malagasy ny hanjono azy.)
Protocole de pêche no anaran’ilay ffifanarahana atao izay ny lalana Iraisampirenena UNCLOS no manome alalana antsika hifampiraharaha amin’ireo Firenena hafa na Orinasa any ivelany ho afaka manjono ireo thon migrateur ireo.
Tsy varotra ilay izy fa fangatahan-dalana na droit d’accès satria ressources migratrices na koa hoe harena mifindramonina ilay thon migrateur ireo. Firenena maherin’ny 30 no andalovany aty amin’ny Ranomasimbe indianina ka isan’izany i Madagasikara. 3-5 volana izy ireo no mandalo eto amintsika isan-taona raha ohatra 09 volana ao Seychelles
Miditra amin’io fifanarahana io isika satria raha tsy omentsika droit d’accès rizareo dia isika ihany no maty antoka satria jonoiny any amin’ny firenen-kafa ilay lamatra. USD394/tonne izany hoe Ar1,800/kg ilay droit d’accès ary io no isan’ny farany ambony aty Afrika. USD186/tonne ao Seychelles, USD227/tonne ao Maurice. Io no aloan’ireo Armateur na tompon-tsambo amin’i Madagasikara. Efa niakatra io satria Mbola USD114 izy ny voalomboalohan’ny taona 2021. Marihina fa ilay vidin’ny solika no tena charge fixe ambony hoan’ireo sambo ireo (manodidina ny 7.000 – 10.000 litres par jour na mihoatra akory azy).
5,4 millions de tonnes ny stock lamatra manerantany raha toa ka 1,2 millions de tonnes ny aty amin’ny ranomasimbe indianina ary 52.000 tonnes no mandalo eto Madagasikara isan-taona. 14.000 tonnes nomentsika an’ny vondrona Eropeanina, 1.500 tonnes an’ny Japan Tuna, 5.000 tonnes Interatun… 800 tonnes isan-taona no hany mba azontsika eto Madagasikara amin’ny alalan’ny REFRIGEPECHE Est.
I Japan Tuna no isan’ny accord de pêche farany tsara hatr’izay. Marihina fa renouvellement des accords de pêche avokoa no nataontsika teto Madagasikara fa tsy misy fifanarahana vaovao. Ny Vondrona Eropeanina ohatra dia efa ny taona 1986 no niatombohany. Tsy mitoka-monina raha teo i Madagasikara fa misy fifanarahana amin’ny sehatra hafa izay ifandraisana amindrizareo vahiny.
Tsy mifanena velively ireo Mpanjono vaventy lamatra izay manjono any amin’ny 34km miala ny sisindranomasina sy ireo Mpanjono madinika izay matetika latsaky ny 24km no iasany ao anatin’ilay antsoina hoe mer territoriale.
Tsy misy Sinoa manjono ny eto Madagasikara nanomboka ny taona 2021. Sambo 25 no ampiasaintsika ankehitriny iadiana amin’ny jono tsy manara-dalana na peche INN. Manana carburant tafakatra ho 1 miliara ariary isan-taona isika hampandehanana ireo sambo ireo. Izay no mahatonga an’i Madagasikara ho isan’ireo Firenena mitarika aty Afrika amin’ny ady atao amin’ny peche INN na pêche illégale. Manampy antsika amin’izany ady izany ny Masoivoho Eropeanina, Amerikanina ary Sinoa sy ireo ONG maro toy ny Global Fishing Watch.
Ny redevances izay mitentina Ar34 milliards isan-taona avy amin’ny fanjonoana vaventy dia arotsaka mivantana any amin’ny kitapom-bolam-panjakana fa tsy aty amin’ny Ministera. Ireo indray no akan’ny Fanjakana anaovana ireo Fotodrafitrasa ho fampandrosoana ny Jono amin’ny alalan’ny PIP.
Tafakatra ho 177.000 tonnes ny vokatra Jono azo ny taona 2024 raha toa ka 112.000 tonnes ny taona 2021. Niakatra ny vokatra nohon’ny fametrahana ireo paikady maro (réserves marines, aires marines protégées, LMMA, TGRH sns). Tafakatra ihany koa mihoatry ny 07kg isam-batan’olona isan-taona kosa ny fihinana trondro eto amintsika raha toa ka 4,26kg izany ny taona 2021.
NB : ny baleines, ny dauphins sns dia tsy harena jonoina izany hoe tsy ressources halieutiques satria tsy trondro izy ireo fa mammifères marins na biby miteraka sy mampinono andranomasina ka tsy ny Ministeran’ny peche no mitantana azy fa ny Ministeran’ny Tontolo iainana satria dia biby arovana manerantany izy ireo.
Fehiny : isika Malagasy ihany no maty antoka raha tsy miditra amin’ny accord de pêche satria ireo Firenena manodidina antsika dia manao izany avokoa satria lalana Iraisampirenena no mametraka izany. Mahay zavatra ihany koa ilay Zanahary satria tsy nataony mandalo akaiky ny sisindranomasina ireo lamatra mpifindra monina ireo satria mihinana trondro 30% ny havesany isan’andro (ces thons migrateurs consomment du poisson 30% de leur poids par jour – izany hoe raha 100kg izy dia trondro madinika 33kg isanandro no haniny ka izay no mahatonga azy ireo hifindra monina lava).
NB : tsy ny Ministeran’ny Jono no miaro sy miambina ny sisindranomasina fa ny Marine Nationale izay eo ambanin’ny Minisiteran’ny Foloalindrahy izay tena isaorana manokana amin’ny fiarahamiasa hatr’izay.
Misaotra namaky Tompoko,
Ampanajana,
Dr. MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert
