Tontosa androany, 04 Oktobra 2025, tao amin’ny Tranompokonolona Ambohitsilaozana, distrikan’Ambatondrazaka, ny fampiofanana natokana ho an’ireo tanora sy ireo olona liana amin’ny fiompiana trondro sy ny famokarana zana-trondro.
    Miisa 88 ny mpandray anjara tonga niatrika izany.Niavaka tokoa ity fiofanana ity satria ny ankamaroan’ireo mpiofana dia efa manana mari-pahaizana baccalauréat . Nandritra ny fiofanana, dia naneho ny fandraisany anjara mavitrika ny mpandray anjara rehetra tamin’ny alalan’ny fanontaniana, fifanakalozan-kevitra, ary nampiseho ny hafanam-pony sy ny fanoloran-tenany amin’ity asa ity.
    Tsy mijanona eto ihany anefa ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRPEB Alaotra Mangoro # sy ny fikambanana Ecovers izay niara nisalahy tamin’ny fampiofanana fa araka ny fantatra dia hiroso amin’ny fikarakarana hetsika isan-karazany izy ireo ka anisan’izany ny fankalazana ny Andro momba ny Jono Madinika. Ho fanampin’izay dia hanohy ny fitaizana ireo mpiara-monina izy ireo mba hirotsaka an-tsehatra amin’ny fampandrosoana.Ankoatr’izay dia nisy ireo mpandray anjara no niditra tao amin’ny vovonana Indri indri sy Aika izay fikambanana miahy sy mikajy ny Tontolo Iainana sy ny zahavoahary.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *