Tontosa ny faha-29 Septambra ka hatramin’ny faha-05 Oktobra 2025 lasa teo ny fitsidihana sy fidinana ifotony natao tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Kaominina Ambanivohitra Mariarano, ary Kaominina Ambanivohitra Andranoboka izay samy ao amin’ny Distrikan’i Mahajanga II, Faritra Boeny. Anisan’ny tanjona kendrena nandritra izany ny fanatsarana ny fiveloman’ny mpanjono sy ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.
    Nandritra ny fitsidihana no Nampahafantarina ireo mpanjono ny fitsipika mifehy ny jono, anisan’izany ny fahazoan-dalana amin’ny fanjonoana, ny fanajana ny fotoana voarara hanaovana ny fanjonoana ary ireo karazana fitaovam-panjonoana tsy azo ampiasaina izay voararan’ny lalana.
Tsy adino ihany koa ny Fampiofanana momba ny teknika vaovao sy azo antoka toy ny :
    Fampiasana teknika fanjonoana amin’ny alalan’ny fampiasana ny “palangre” na palanky.
    Ny fampianarana ny fomba fanodinana ireo vokatra an-dranomasina amin’ny alalan’ny teknika “fumage” (fanatsatsika), izay ahafahana manatsara ny kalitaon’ny vokatra.
    Fisorohana mialoha ny loza an-dranomasina izay Nampahafantarina ny fomba famantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro amin’ny alalan’ny “panneau SAP” (Systeme d’alerte précoce) ary ny fomba fampiasana fitaovana fiarovana toy ny “gilet de sauvetage” na ny salotra vonjy aina sy ireo fitaovana hafa hanampiana amin’ny fisorohana ny loza mety hitranga any an-dranomasina.
    Miisa 398 ny mpanjono nahazo tombontsoa tamin’ity fidinana ifotony ity ary fiaraha-miasa teo amin’ny ekipa UGP sy ny DRPEB Boeny (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue), ny filohan’ny federasionan’ny mpanjono no nahafahana nanao ny fampiofanana.
    Marihina fa Ity hetsika ity dia vokatry ny fanatanterahana ny bokin’andraikitry ny orinasa mpamokatra makamba toa ny SOMAPECHE, PECHEXPORT ary REFRIGEPECHE OUEST.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *