Notanterahina ny 02 Oktobra 2025 teo tao amin’ny farihin’ Amparihilava, ao amin’ny Fkt Ambalambakisiny, Kaominina Ambanivohitra Andranofasika, Distrikan’i Ambato Boeny, ny fandrotsahana zana-trondro .Zana-trondo Tilapia tsara kalitao miisa 23 000 eo no narotsaka izay natao mba hampiroboroboana sy hanamafisana ny sehatry ny jono an-tanety, izay sehatra manan-danja satria misy olona maro mifototra amin’io asa io ho entiny miavotra sy miatrika ny fampivoarana ny fiainana andavanandro.
     Ny FI.MPA.MA na ny (Fikambanan’ny Mpanjono Miray Ambalambakisiny), fikambanana avy ao an-toerana izay manjono amin’io ranovory io no nisitraka ity fanomezana zana-trondro ity ary tonga nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo tompon’andraikim-panjakana tao an-toerana ka anisan’izany ny Solombavam-bahoaka Ambatoboeny , ny Lehiben’i Distrikan’Ambato Boeny, ny Délégué d’arrondissement Andranofasika, ny Ben’ny Tanana, ny Coordinateur régional FAO ary ny Ekipa avy ao amin’ny DRPEB Boeny sy CDA .Io fiaraha-miasa io dia manamafy ny fiaraha- mientana amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga.
     Marihina fa ny tetikasa LLD/FAO Biodiversité no nanao ny tansoroka nahazoana ireto zana-trondro ireto.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *