Notanterahina ny 05 oktobra 2025 ny fandraisana vonjimaika ny fotodrafitrasa “Zone d’Emergence Piscicole (ZEP)” ao Manatantely izay tetikasa lehibe anankiray naorina ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga sy hofanohanana ny ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny Faritra Anôsy.
Vita tanteraka ny asa fanorenana ity fotodrafitrasa ity ary vonona avy hatrany hiorso amin’ny asa maha ZEP azy toy ny : famokarana zana-trondro mihoatra ny 5 tapitrisa sy trondro matavy manodidina ny 10 taonina isan-taona, fampiofanana ny mponina amin’ny fiompiana trondro.
Marihina fa ity fotodrafitrasa ity dia manaraka ny fenitra tanteraka. Ahitana trano famokarana zana-trondro (écloserie), dobo fiompiana, birao fiasana sy trano fiofanana ary toerana fitehirizana rano manana hadiry 20.000m3 ary herinarantra mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Hita ato ihany koa ireo fitaovana ilaina rehetra toy ny fitaovana fanaraha-maso ny rano, ny toe-piainan’ny trondro, solosaina, latabatra sy seza ary tabilao fotsy, sns. Izy ity izay iray amin’ny ZEP roa naorina aty amin’ny Faritra Anosy raha to aka ao Ivahona, Distrikan’ny Betroka ny anankiray.
Tonga teny an-toerana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) eto Anôsy niaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka izay nahitana ny avy amin’ny Fiangonana FLM, tomponantoka tamin’ny fanolorana toerana ary ny avy amin’ny Programa Afafi-Sud izay namatsy tamin’ny fanorenana izao fotodrafitrasa izao.
