Fanentanana mikasika ny fikatonan’ny jono andranomamy.
     Miovaova isam-paritra ny fotoana ikatonan’ny fotoam-panjonoana andranomamy araka ny voalazan’ny didim-pitondrana navoakan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Fitaovam-pifandraisana maro toy ny fanaovana peta-drindrina eny amin’ ireo biraom-panjakana, filazana amin’ny radio ary fanentanana eny ifotony no noentin’ny ekipa avy ao Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Atsimo Atsinanana # ho fanajana ny fotoana fikatonan’ny fanjonoana an-dranomamy any an-toerana mandritra ny iray volana izay hanomboka ny 15 Oktobra ka hatramin’ny 15 Novambra 2025 izay fotoana hanatodizan’ny trondro.
    Tao aminy Kaominina Lopary no nanatanterahana izany ny faha 07 Oktobra 2025 teo.Tanjona ny hampitomboana ny tahirin’ny hazandrano any an-toerana sy hisitrahan’ireo mpanjono vokatra maro amin’ny fotoana isokafan’ny fanjonoana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *