Tontosa ny faha 08 Oktobra 2025 teo ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro, izay fiaraha-miasa teo amin’ny ONG TSIMOKA sy ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue DRPEB Ihorombe#izay natao tao amin’ny Foiben-toerana Fanofanana Tantsaha tao Ampandratokana, Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe ity fampiofanana ity. Tantsaha miisa 39 no nanatrika sy nandray anjara tamin’izany.
    Nifantoka tamin’ny lohahevitra momba ny fiompiana trondro an-tanimbary ny fampiofanana izay natolotra ireto tantsaha niatrika ny fiofanana. Ankoatra izay dia nozaraina ihany koa ireo fomba fanomanana sy ny fitantanana ny sakafon-trondro mba hiantohana ny fahombiazan’ny fiompiana. Ireo lohahevitra ireo dia nampitaina tamin’ny fomba ara-teorika ary narahina fampiharana mba hahafahan’ny mpandray anjara mampihatra avy hatrany ny fahalalana azo amin’ity seha-pihariana izay nosafinidin’izy ireo.
    Ity hetsika ity dia anisan’ny ezaka lehibe hanohanana ny tantsaha ao amin’ny Faritra Ihorombe, indrindra amin’ny fanatsarana ny fiompiana trondro ho fomba iray hanamafisana ny fanjariana ara-tsakafo sy ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny ONG TSIMOKA sy ny DRPEB Ihorombe dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fifanohanana sy ny fampandrosoana maharitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *