Fanohanana ireo mpiompy trondro eny ifotony.
Mpiara-miombon’antoka sy tetikasa maro no mifanome tanana amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ho fampiroboroboana ny fiompiana trondro eto Madagasikara.Araka izany dia nizara zana-trondro 10 000 isa sy ampombo 1 taonina hoan’ireo mpiompy trondro miisa 10 avy ao Ambodigavo, distrikan’i Moramanga ny ekipan’ny Fari-piadidian’ny Jono sy ny Toekarena Manga CirPEB Moramanga niaraka tamin’ny teo anivon’ny « Conservation Internationale ».Ny tantsoroka avy amin’ny tetikasa PREAA no nahafahana nanatontosa izany vokatry ny fiaraha-miasa misy.
