Fanohanana ara-teknika ho an’ny mpiompy trondro.
    Tonga nanao fitsidihana eny ifotony ny ekipa avy amin’ny DRPEB Fitovignany ny faha 09 Oktobra 2025 teo tao amin’ny Fkt Tanambaovao, Kaominina Ambanivohitra Analavory, ao amin’ny distrikan’i Manakara. Dobo trondro an’Atoa Justin, tantsaha iray ao amin’ny Kaominina no nitsidihana tamin’ity indray mitoraka ity.
    Dobon-trondro miisa roa an’Atoa Justin no notsidihana arak’izany izay samy manana velarana 2 ara eo eo . Efa vonona tanteraka ireo dobo ireo, ka nahazo toro-marika sy fampianarana ara-teknika feno avy amin’ny DRPEB izy ireo mba hanatsarana ny vokatra ho azo.
Nisy ihany koa ny toro-marika izay niresahana momba ny hampidirana zana-trondro tsara kalitao avy amin’ireo mpamokatra zana-trondro matihanina avy ao Manakara.
    Nanentana an’Atoa Justin sy ireo tantsaha mpiompy trondro hafa ao amin’ny kaominina izy ireo mba hanaraka tsara ireo torohevitra omena ka anisan’izany ny fitazonana ny kalitaon’ny rano, ny fanaraha-maso ny sakafo ho an’ny trondro, ary ny fampiharana ireo fepetra samihafa .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *