Anisan’ny paikadin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ny fananganana Fari-pisandratana ny fiompiana trondro na ny « Zone d’emergence Piscicole »ZEP manerana ny faritra maro eto Madagasikara.Araka izany dia efa vita tanteraka ny fanamboarana ireo dobo miisa 20 manana velarana 03 Ara avy izay sokajiana ho ZEP faharoa ao amin’ny faritra Ihorombe izay ao anatin’ny FKT Bemandresy distrikan’Ihosy, ka nisy fandraisana ireo Ray aman-dReny trondro karpa »géniteurs » mitotaly 20 (13 lahy sy 7 vavy) hompiana ao amin’izany toerana izany.Nanotrona izany ny ekipan’ny Fitaleavamparitry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Ihorombe.Azo antoka tanteraka ny famatsian-drano amin’ity toerana ity noho izy zay vao nametrahana « forage »hampihodinana ny dobo.
     Tanjona ny famatsiana zana-trondro tsara kalitao ireo mpiompy trondro any an- toerana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *