Nandray anjara tamin’ny fihaonambe an-tampony hoany Toekarena Manga eto Afrika na ny « BLUE AFRICA SUMMIT » izay notontosaina tany Tanger, Maroc ny 09 sy 10 oktobra 2025 i Madagasikara tamin’ny alalan’ny solontena avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB.
    Ity andiany faha-telo ity dia nanombohana ny fandrafetana ny « PACTE POUR UNE AFRIQUE BLEUE DURABLE » na fifanarahana hoan’ny Toekarena Manga maharitra eto Afrika.
    Ny fanazavana ny lohahevitra hoe « une vision commune pour une Afrique bleue durable » no nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny andro fanokafana. Ny andro faharoa kosa dia noresahina nandritry panel ny resaka « gouvernance sy territoire » , « finance et économie bleue » , « science, recherche et éducation » ary momba ny « société civile »
    Marihina fa vitaina alohan’ny novambra 2026 ny fandrafetana ireo antotan-kevitra ireo ary hampahafantarina mandritry ny andian’ny faha-efatra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *