Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia manao ny ezaka rehetra hampaharitra ny fitrandrahana ireo haza an-dranomasina sy andranomamy.Izany no mahatonga ny fanakatonana ny fitrandrahana mandritra ny fotoana voafetra araka ny lalàna mifehy ny jono izay miovaova isam-paritra.

Araka izany dia notanterahina ny faha 08 Oktobra 2025 teo tao amin’ny faritra arovana Nosy Barrein ao amin’ny faritra Melaky ny fanokafana ny tahiry tsy maharitra ny horita »réserve temporaire des poulpes « hoan’ny taom-panjonoana 2025 ka tao amin’ny tananan’i Mangily, Dondosy, Nosy lava, Abohazo ary Nosindrano no nanatontosana izany. Nahatratra hatrany amin’ny 1682 kg ny vokatra azo hoan’i Mangily raha toa ka 200 kg ny azo tao Abohazo sy Nosindrano izay nahitana ny vokatra ambany indrindra.

Nihena ny vokatra raha oharina tamin’ny taon-dasa noho ny vokatry ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ity vokatra an-dranomasina ity .Nanotrona izao fanokafana izao ny teo anivon’ny Faritra Melaky, ny DRPEB,DREDD,ny avy ao amin’ny Kaominina Maintirano, ny Fkt Ampasimandroro ary ny solontenan’ny ONG Bleu Ventures any an-toerana izay manome ny tantsoroka nahafahana nanatontosa ny asa rehetra.