Nisy ny fidinana ifotony izay natao ny faha 13 ka hatramin’ny faha 16 Oktobra 2025 lasa teo izay nanatanterahina ny Fampiofanana mikasika ny Fiompiana Trondro tao amin’ny Fkt Soamiafara Kaominina Ambanivohitra Tsaratanana izay notronin’ireo Kaominana enina ao amin’ny Distrikan’ny Tsaratanana tapany avaratra.
Tsy adino ihany koa ny nampatsiahy ny lalàna mifehy ny Jono ka anisan’izany ny fampiasana fitaovana sy teknika tsy azo atao ary indrindra ny fanajana ny fotoana fikatonan’ny Jono izay hanomboka ny faha 15 Novambra 25 hoavy izao ao amin’ny Faritra Betsiboka .
Tonga nanotrona sy nandray anjara mavitrika tamin’ity Hetsika ireo manam-pahefana tao an-toerana.
