Anisan’ny hoavin’ny fanjonoana ny Fihariana anaty rano ka zava-dehibe ny fampiroboroboana izany amin’ny alalan’ny fizarana fiofanana mitety Faritra.Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia manana paikady hanatrarana izany mba hanatrarana ihany koa ny fanjariana ara-tsakafo.Nisy araka izany ny fampiofanana maimaimpoana narahin’ny fampiharana tao amin’ny Fkt Dilamboay ireo tantsaha miisa 50 ao anatin’ny Distrikan’Ambanja. Ny ekipan’ny Fitaleavana misahana ny Fihariana anaty rano#DA DRPEB DIANA sy ny CirPEB Ambanja no nizara ny traikefany nandritra izany.
