Androany 20 Oktobra 2025 dia nisy ny fijerena ny fizotry ny fandroson’ny asa mikasika ny fanamboarana dobon-trondro manarapenitra ao amin’ny EGNA Ankorombe Ambositra izay teo ambany fanohanan’ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB Amoron’i Mania. Amin’ny ankapobeny dia miroso hatrany ny asa ary efa kely sisa dia ho vita ity fanamboarana dobon- trondro ity.
     Ankoatran’izay dia natoro azy ireo ihany koa ny fomba fanaovana ny « correction acidité » ny toerana mba hampahomby ny famokarana alohan’ny hampidirana rano hanaovana ny fiompiana trondro .
Vinavinaina ho amin’ny herinandro ambony farafahatarany dia hisy avy hatrany ny fandrotsahana trondro ao amin’ireto dobon-trondro ireto.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *