Nitohy ny faha 21 Oktobra 2025 teo ny fandrotsahana zana-trondro tao anatin’ny lakandranon’i Pangalana atsimo, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Amboditandroroho, Distrikan’i Toamasina II, Faritra Atsinanana izay anisan’ny ezaka mitohy mandritra ny vanim-potoana fikatonan’ny jono an-dranomamy eo anivon’ny faritra, izay mikendry ny hampitombo ny harena anaty rano sy hanohanana ny fampandrosoana maharitra ny jono an-dranomamy.
           Zana-trondro miisa 6 500 no narotsaka tamin’ity fotoana ity ary marihina fa ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny Kaomina Amboditandroroho sy ireo mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana ao amin’ny faritra. Ireo mpiompy ireo dia nanana anjara toerana lehibe tamin’ny fanomanana sy ny famokarana ireo zana-trondro ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *