Mitohy androany faha 23 Oktobra 2025 ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB amin’ny fizarana ireo zana-trondro hoan’ny Faritra Ihorombe izay zava_dehibe tokoa amin’ny fanohanana ireo mpiompy trondro. Raha toa ka zana-trondro miisa 3000 amin’ny zana-trondro 15000 no nozaraina amin’ny Kaominina telo (Zazafotsy, Ambia, Sahambano) ny faha 21 Oktobra 2025 teo dia zana-trondro miisa 1600 indray no tsinjaraina amin’ny ny Kaominina telo dia ny Kaominina Ambanivohitra Ranohira, Kaominina Ambanivohitra Andohanilakaka ary Kaominina Ambanivohitra Ilakakabe.
Marihina moa fa tanjona amin’izao hetsika izao ny hampiroboroboana ny fampamokarana ny atirano amin’ny alalan’ny sehatry ny fiompiana trondro ary manamafy ny fandrosoana ara -toekarena ho an’ny faritra.
