Notanterahina ny faha-23 Oktobra 2025 teo ny fidinana tao Alakamisy Anivosoa, Kaominina Ambanivohitra Marofarihy izay nataon’ ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB Fitovinagny izay nanentanana ireo mpanjono mba hanaja hatrany ny fe-potoana fikatonan’ny Jono an-dranomamy izay nanomboka ny faha 15 Oktobra lasa teo ka hatramin’ny faha 30 Novambra 2025 hoavy izao.
Nampatsiahivina hatrany fa ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fepetra ho raisina manoloana ireo izay mbola mihoapefy satria izao no hatao dia ny hitsinjovana ny mba hampaharitra ny jono an-dranomamy ho lovainjafy.
