Ezaka imasoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB ny fanatevenana ireo tahiri-trondro amin’ireo renirano amin’ny alalan’ny fandrotsahana zana-trondro mandritra ny fotoam-pikatonan’ny jono an-dranomamy ao anatin’ny faritra iray.Araka izany dia notontosaina ny fandrotsahana zana-trondro 4000 isa tao amin’ny reniranon’i Sandramanongy Maroloha ao amin’ny distrikan’i Vatomandry ny faha 23 Oktobra 2025 teo.
Ny fiarahamiasa amin’ireo mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana no nahafahana nanao izao hetsika izao amin’ny fifanomezantanana mba hanatrarana ny vina ho amin’ny jono an-dranomamy maharitra ho lovainjafy.
#MPEB#DRPEB ATSINANANA#Fandrotsaha na zana-trondro# Jono an-dranomamy maharitra
