Tsy mamela irery ireo tantsaha vao avy nahazo fiofanana momba ny fiompiana trondro ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB fa manome hatrany tantsoroka ara-teknika mikasika ny fanamboarana dobo.Ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB izay ratsamangaika eny amin’ny faritra no manantontosa ny asa mivantana any ifotony.Araka izany dia nidina an-tsehatra tao Mavorano ny ekipan’ny#DRPEB Fitovinany ny faha 24 Oktobra 2025 teo nijery ny fizotra ny fanamboarana dobo misa 10 manana velarana mitotaly 3000 metatra toradroa.
       Nozaraina nandritra izany ireo teknika fototra mikasika ny fomba fanamboarana dobo mba fanampiana azy ireo hahazo vokatra tsara.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *