Notanterahina ny faha 24 Oktobra 2025 teo ny fampiofanana fiompiana trondro izay nampanoavin’ny ekipan’ny DRPEB Amoron’i Mania izay natao tao amin’ny FLM Ilaka Centre,Kaominina Ambonivohitra Ambositra ka ny FAFAFI SPAM no niara nanatontosa sy nanampy tamin’izao fampiofanana izao ary fiaraha-miasa amin’ny Synodam-Paritany Avaratr’iMania.
Miisa 65 no tonga nanatrika ny fampiofanana ary hantenaina fa mbola hitohy moa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana mba hanatsarana ny fari-piainan’reo mpiara belona indrindra ireo tanora mba hampiroboroboana ny seha-pihariana trondro ao Ilaka Centre.
