Isan’ny mpiara-miombon’antoka manohana ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB amin’ny fampiroboroana ny sehatry ny fiompiana trondro ny GIZ/Prosar miaraka amin’ny ONG WHH sy GSDM.Mpiompy trondro miisa 119 no nisitraka tohana avy aminy ka nisy ihany koa ny toeram-piompiana lalitra « Black Soldies Fly »BSF 17 isa napetraky ny tetikasa izay hahafahana mamokatra olitra hatao sakafo hoan’ireo trondro.Araka izany dia nisy ny fitetezana ireo kaominina niisa 16 ao anatin’ny Distrikan’i Vangaindranosy Vondrozo izay notontosain’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB Atsimo Atsinanana niaraka tamin’ireo Fitaleavana maromaro misy ao amin’ny faritra toy ny DRAEH,ORN,DRSP,DRAE, DRETFP ny faha 13 ka hatramin’ny 25 Oktobra 2025 teo.Nandritra izany no nanolorana ireo tantsaha niisa 220 ho fantatr’ireo manam-pahefana eny ifotony izay narahina fanolorana mari-pankasitrahana « certificat » ho azy ireo.
         Noentanina ihany koa ireo Mpiompy trondro ny amin’ny tokony hananany karatra maha mpiompy sy ny fidirana anaty fikambanana ary ny fanaovana tatitra ny vokatra mba hahafahana misitraka tombontsoa maro rehefa tafiditra ao anatin’ny sehatry ny ara-dalana.Nohamafisina koa ny tokony hanajana ny fotoana fikatonana vonjimaika momba ny fanjonoana an-dranomamy any an toerana izay nanomboka ny faha 15 Oktobra teo ka tsy hifarana raha tsy ny faha 15 Novambra 2025.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *