Tontosa soamantsara ny faha 24 Oktobra 2025 teo ny famaliana ny fangatahana nataon’ny avy ao amin’ny fikambanana FANILO eo anivon’ny fiangonana Loterana FLM Vangaindrano izay fangatahana hanomezana fampiofanana fiompiana trondro azy ireo. Miisa 26 ireo Kristianina nisitraka ny fiofanana ary nifampizarana tamin’izany ny mahakasika ny famokarana zana-trondro, ny fiompiana trondro an-dobo, ny fomba fikarakarana ary ny fomba fanomezana sakafo ho an’ny trondro .
      Taorian’ny fampiofanana dia nangataka tohana zana-trondro moa ireo mpiofana ka nampanatena ny avy ao amin’ny ekipan’ny DRPEB Atsimo Atsinanana fa hisitraka izany tsy ho ela ireo izay nahavita dobo trondro ka vonona hampihatra ny fiofanana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *