Noraisina tao amin’ny Fitaleavam paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anôsy ny faha 24 oktobra 2025 teo ny fitaovana » kits » fitehirizana hazandrano miisa 15 izay nahitana vata fampangatsiahana 200L mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy “panneaux solaires » miisa 15 izay marihina fa ny GIZ Prada Taolagnaro no nanolotra izany fitaovana izany.
Natao izao fampitaovana izao mba hitsinjovana ireo mpanao kinanga sy mpiompy fia ao amin’ny Faritra hitazomana hatrany ny kalitaon’ny vokatra.
Izao dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny GIZ PrAda izay novatsian’ny Vondrona Eorepeanina (UE) ary mbola ho maro ny fitaovana andrasana izay mbola eo ampividianana azy toy ny lakana vita amin’ny “fibre de verre”, motera, salotra vonjy aina, sns.
