Notanterahina ny faha 27 Oktobra 2025 teo ny fizarana ireo zana-trondro avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB izay zana-trondro miisa 17 500 eo ary Raiamandrenin’ny Trondro toy ny Tilapia miisa 20 eo sy Karpa miisa 20 eo ary tsy adino ihany koa ny provandy niisa 7 lasaka.
   Raha ny fitsinjarana ireo fanohanana ireo dia nomena ny mpitantana ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) ny Raiamandreny trondro sy ny provandy mba entina avy hatrany hanombohana ny famokarana ary ny zana-trondro kosa dia nozaraina tamin’ny Distrika 03 ao amin’ny faritra izay ny Fikambanana ara-dalana sy manana karatra maha-mpiompy trondro no nomena ary teo ihany koa ireo olontsotra misehatra amin’ny fiompiana trondro izay hita fa miezaka ka mila fanampiana ary farany dia tsy adino ireo mpanao asa soa eto amin’ny Faritra ka hita fa manana dobo manaraka ny fenitra sy ara-dalana.
   Nanome hafatra azy ireo ny DRPEB amin’ny hakàna antontan’isa aorian’ny fiakaran’ny vokatra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *