Mifameno ny fambolem-bary sy ny fiompiana trondro an-tanimbary.Nisy araka izany ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro sy ny fomba fambolem-bary izay notanterahin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB sy ny DRAE ihorombe tao amin’ny FKT Antsoha ny faha 28 Oktobra 2025 teo.Nozaraina nandritra izany ny teknika fampivadiana ny fiompiana trondro sy ny fambolem-bary.Tantsaha 33 avy ao an toerana no niatrika izany izay narahin’ny Teknika amin’ny fitantanana ny sakafo trondro.
Vonona ny hampihatra izany izy ireo ka hantenaina fa hampiakatra ny vokatra trondro any an- toerana izao fifampizarana torohevitra ara-teknika maimaimpoana izao. Nandray anjara tamin’ny fanatontosana izao fampiofananana izao ny ONG TSIMOKA.
#MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fiompiana_trondro #Asa_manga #ONG_Tsimoka.
