Misokatra amin’ny sehatra rehetra ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB ho fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro.Tantsaha niisa 34 no nisitraka ny tohana avy amin’ny FMFP tamin’ny alalan’ny sinodam-paritany avaratr’i Mania (SPAM) no nizaran’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Vakinankaratra ny teknika fototra mikasika ny fiompiana trondro ny faha 27 hatramin’ny 29 Oktobra 2025 teo araka ny tetiandro efa napetraka.
Nitohy tamin’ny fidinana ifotony ny fampiofanana ka nanitsiana ireo fomba fanamboarana dobo sy nihainoana ny hetahetan’ireo mpiompy trondro.Hivondrona anaty fikambanana iray ny ankamaroan’izy ireo mba hahafahany mametraka tanjona iraisana eo amin’ny fampandrosoana ny fiompiana trondro.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *