Ny faha 30 Oktobra 2025 teo dia tonga nidina ifotony sy nanao fitsidihana tao amin’ny Collège St Joseph Moramanga ny ekipan’ny CirPEB Moramanga. Fitsidihana izay nitondrana tantsoroka momba ny fanamboarana dobo sy fanombohana ny fiompiana trondro izay ataon’ity toeram-pampiofanana ity.
Marihina fa efa nahazo fiofanana sy fitsidihana niaraka tamin’ny arbiochem ihany koa izy ireo ary ity no fitsidihana faharoa natokana ho aizy ireo. Efa azo handefasana zana-trondro ny toerana ka nomena tsara ny toro-marika hampahomby ny fiompiana trondro izay hilofosana.
