Maro ireo tantsaha eto Madagasikara no efa miompy trondro saingy tsy mbola matihanina amin’izany izy ireo.Noho izany no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB manao ny ezaka rehetra amin’ny fanomezana maimaimpoana ny fanofanana ireo tantsaha efa misehatra na ireo izay maniry hirotsaka amin’ity sehatra ity.
Araka izany ary dia mpiompy trondro niisa 15 ao amin’ny kaominina Anorombato no nisitraka fiofanana avy amin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Fitovinagny izay mikasika ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary ny fa 30 Oktobra 2025 teo.
Hetahetan’izy ireo ny ho lasa matihanina ka mangataka hanohizana ny fiofanana mikasika ny fomba fanamboarana sakafo trondro ary ny hamatsiana zana-trondro tsara kalitao ihany koa.Ny fidinana ifotony nitsidihana ireo dobon’ireo mpiompy trondro no namarana ny fampiofanana.
