Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fizarana zana-trondro izay fanohanana avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB hoan’ireo izay mpiompy trondro nanaraka fiofanana ka tapa-kevitra hiroso tanteraka amin’ity seha-pihariana fiompiana trondro ity. Notsinjaraina tamin’ny Kaominina niisa efatra(04) tao amin’ny Distrikan’Ihosy ireo zana-trondro dia ny tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Sakalalina, Analaliry,Ambatolahy ary Satrokala.
Ny faha 31 Oktobra 2025 teo no nanaovana ity hetsika ity ka zana-trondro niisa 1900 amin’ireo 15000 anjaran’ny Faritra Ihorombe no nozaraina tamin’ireo solontenan’ireo mpiompy trondro isak’ireo kaominina izay voalaza tetsy ambony ireo. Nitondra ny fankasitrahana izy ireo ary nanome toky fa hiezaka ihany koa ho fahombiazana amin’izao seha-pihariana izay hahitana tombony maro izao ary efa maharesy lahatra olona amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *