Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny dia hita fa mihavitsy ireo trondro ao amin’ireto farihy lehibe tatanin’ny fanjakana.Izany indrindra no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB manohy ny ezaka rehetra hanatevenana izany mba ho Lovain-jafy sy hahazoan’ny rehetra tombony. Araka izany dia nisy ny fandrotsahana zana-trondro 3500 isa tao amin’ny farihy Andovolalina , izay ao amin’ny kaominina ambanivohitra Amboditandroho ny faha 31 Oktobra 2025 teo .
Izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Atsinanana sy ny fikambanan’ny mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana antsoina hoe BEZORO FARM ao an-toerana.Tanjona ny hampitomboana isa ny trondro isitrahan’ireo mpanjono madinika amin’ny fotoam-panjoana manaraka.
