Anisan’ny paikadin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ny fampandraisana anjara ireo vahoaka amin’ny fiambenana ny morontsiraka.Tanora 43 avy ao Nosy Hara Antsiranana II no niatrika fiofanana ho fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny lafiny fiarovana sy ny fiambenana ny morontsiraka. fiofanana izay niatomboka ny faha 28 Oktobra ka tsy nifarana raha tsy ny faha 30 Oktobra 2025 teo ary notontosaina tao amin’ny Hôtel de la Poste Antsiranana. Ny tan-tsoroka avy amin’ny WWF sy ny fikambanana MAHARE no nahatontosana izany.Ankoatran’ny fiarovana ny ranomasina sy ny morontsiraka dia nofanina mikasika ny lalàn-tsaina(C4D/SBC) mivoy ny fomba hanovana toe-tsaina ihany koa ny mpiofana satria izy ireo no hampita ny fiofanana azony amin’ny tanora namany any amin’ny toerana niaviany tsirairay avy.Ny Kit MAD’ErE no fitaovana fanentanana hampiasain’izy ireo amin’izany.
Nanome torohevitra ara-teknika tamin’izao fampiofanana izao ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekrena Manga DRPEB sy ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy DREDD DIANA.
