Taorian’ny fanentanana sy fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro nataon’ny ekipan’ny CirPEB Ambanja dia nisy tamin’ireo mpiofana no vonona avy hatrany ka hiroso amin’ny sehatry ny fiompiana trondro. Arak’izany dia nisy ny fitsidihana sy fitsirihana nataon’ny tompon’andraikitra sy ireo teknisiana teo anivon’ny DRPEB DIANA izay natao ny faha 31 Oktobra 2025 teo tao amin’ny secteùr Morafeno, Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra ,Distrikan’Ambanja, Faritra Diana .
Ity fitsidihana ity dia natao hitsirihana mialoha ny toerana hiompiana trondro Tilapia hahafahana manome toromarika misimisy kokoa alohan’ny hanorenana ny toeram-piompiana trondro.
