Anisan’ny miantoka betsaka amin’ny fampandrosoana maharitra sy fampiroboroboana ny sehatry ny #Jono sy ny #Toekarena_manga ny fisan’ireo ratsamangaika sy sampan-draharaha samihafa eto anivon’ny Ministera ka anisan’izany ny ny #ASH (Autorité Sanitaire Halieutique ), izay anisan’ny notsidihan’A/toa Minisitra Anio , izy ity izay miantoka amin’ny fiarovana ny vokatra an-dranomasina sy ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra aorian’ny fanjonoana azy.
Ankoatra izay, dia nitsidika ihany koa ny #CSP (Centre de Surveillance des Pêches) ny minisitra. Nandritra ity fitsidihana ity, dia nifanakalo hevitra tamin’ny mpiandraikitra ao amin’ny CSP ny tenany mahakasika ny fanatsarana ny asa Amin’ny ankapobeny izay zava-dehibe amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy hisorohana ny Jono tsy manara-dalana amin’ny endriny rehetra .
Tsara ny Manamarika fa ny sehatry Jono dia anisan’ny sehatra hiveloman’ny ankamaroan’ny malagasy ka tsy tokony hatao ambaninjavatra ny fanaraha-maso ka izany indrindra no antom-pisian’ity sampana fanaraha-maso ny Jono ity eto anivon’ny Ministera.
Nandritra ny fitsidihana, dia nanamafy ny fanentanana ireo mpiasa ny minisitra mba hiara-hiasa tsara sy miaraka ho an’ny fampandrosoana maharitra Ary nanamarika ihany koa ny fanoloran-tenany amin’ny fanatsarana ny asa sy ny fanohanana ny mpiara-miasa, izay tena ilaina amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina ho Lovain-jafy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *